Aller au contenu

Mahmoud Ahmadinejad

Avy amin'i Wikipedia
Mahmoud Ahmadinejad
Ankapobeny
Anarana Mahmoud Ahmadinejad
Teraka 28 Oktobra 1956
Fiaviana sy ny andraikitra
Firenena Iran
Asa :
Fiainana manokana

I Mahmoud Ahmadinejad dia mpanao pôlitika iraniana, injeniera sivily, injeniera, teraka tamin' ny 28 Ôktôbra 1956 tao Aradan any Iràna., voafidy ho filohan' ny Repoblika Islamikan' i Iràna tamin' ny taona 2005.

Teraka tao an-tanànan' i Garmsar, akaikin' i Teheran, i Mahmoud Ahmadinejad izay zaza fahefatra amin' ny fianakaviana tsotra manan-janaka fito. Mpanefy ny rainy ary nifindra monina tany amin’ ny vakin-tanàna mahantra any atsimo amin’ ny renivohitra ny fianakaviany tamin’ izy vao herintaona. Taona vitsivitsy taorian' ny namerenana indray ny fitondran’ ny shah (1953) sy ny fanjakà-mpanjaka, izay notohanan’ ny Britanika sy ny Amerikana dia nitombo ny fahantrana sy ny fahasorenana tany amin' ireo faritra mahantra ireo raha naneho ny fanantenana hamelona indray ny halehibeazan' ny firenena taloha ny fitondrana.

Na dia teo aza ny fahantran' ny fianakaviany dia nahavita fianarana tao amin’ ny sekoly ambaratonga faharoa i Mahmoud Ahmadinejad. Niditra tao amin' ny Oniversiten' ny Siansa sy Teknôlôjia ao Teheran izy tamin' ny taona 1975 ary nahazo ny diplôma dôktôrata momba ny fitateram-bahoaka. Hatrany am-boalohany dia nikambana tao amin’ ny sendikan' ny mpianatra islamista izy ary nisongadina tamin' ny fikatrohanany. Ny fanavaozana tratra aoriana loatra nataon' ilay shah teo amin' ny sehatry ny fambolena sy ny fandavany ny hampiditra ny demôkrasia eo amin’ ny fiainana ara-pôlitika dia nampitombo ny hetsi-panoherana izay nisy akony tsara teo amin' ny mpifindra fonenana avy any ambanivohitra izay nonina any amin’ ny vohita maro manodidina an' i Teheran.

I Mahmoud Ahmadinejad dia anisan' ireo nametraka fomba fijery integrista momba ny finoana silamo ary ny fahavitrihany dia nahatonga azy hisolo tena ny mpiray antoko an-toerana ho ao amin' ny komity foiben' ilay sendika.

Mpianatra integrista

[hanova | hanova ny fango]

Nandritra ny taona 1978 dia nahatratra ny fara tampony ny herisetran' ny fihetsiketsehana ka voatery nandao ny firenena ny shah mba hanome lalana ny ayatollah Ruhollah Khomeini (Febroary 1979), izay nanangana Repoblika Islamika. Tao amin' ny oniversite nianarany i Mahmoud Ahmanidejad dia nanararaotra nanangana ny Fikambanan' ny Mpianatra Islamista, izay anjakan' ny integrista mahery fihetsika.

Tamin' io taona io ihany dia lasa solontenan' izy ireo tao amin' ny Birao Fanamafisana ny Firaisankina teo amin' ny samy Oniversite sy ny Seminera Teôlôjika izy, rafitra niandraikitra ny fampiroboroboana ny fampidirana ny mpianatra amin' ny tontolon' ny fivavahana sy nisahana ny fanoherana ny hetsika ataon' ny Mujahidin avy amin’ ny vahoakan' i Massud Rajavi, izay entin' ny hetsiky ny ankavia mifangaro maôisma.

Tamin' io taona io ihany, ny Birao Fanamafisana ny Firaisankina, izay nahitana an' i Mahmoud Ahmadinejad anisan' ny mpitarika azy, no lohan' ny mpikatroka mavitrina nanafika ny Masoivohon' i Etazonia sy nanao ny mpikambana ao aminy ho takalon' aina (Nôvambra 1979-Janoary 1981). Ahiana ny maha isan’ ny mpanao takalon' aina azy saingy tsy voamarina izany. I Mahmoud Ahmadinejad ihany koa no lohalaharana amin' ireo hetsika feno herisetra mikendry ny hanafay ny hetsi-panoherana ataon' ny mpianatra sy ny mpampianatra manohitra mafy ny revôlisiôna ara-kolontsaina islamika.

Mpiambina ny Revôlisiôna

[hanova | hanova ny fango]

Nanatevin-daharana ny Mpiambina ny Revôlisiôna, izay niandraikitra ny fitazonana ny ôrtôdôksian’ i Ruhollah Khomeini amin' ny toe-javatra rehetra eo amin' ny fiainam-pirenena, i Mahmoud Ahmadinejad, izay mpikambana mavitrika ao amin' ny famoretana mahery vaika ny mpanohitra. Nandray anjara tamin' ny Ady Iràna-Iràka (1980-1988) tao amin' ity fikambanana nomena fitaovana miaramila ity izy ary nanara-maso ny tafika no asany. Nahazo ny laharn' ny manamboninahitra ambony izy tamin' ny taona 1986 ary avy eo dia niandraikitra ny hetsika manohitra ny mpanohitra any ivelany.

Rehefa tapitra ny ady dia notendrena hiandraikitra raharaha sivily izy ary iray amin' ny andry matanjaka indrindra tamin' ny fitondram-panajakana no nanendrena azy ho governoran' i Khoy sy Makou any avaratra andrefana amin' ilay firenena. Tamin' ny taona 1993 dia nantsoina ho mpanolotsaina ara-kolontsaina ho an' ny Minisitry ny Kolontsaina sy ny Ftarihana Islamika izy.

Tamin' ny taona 1997, taorian' ny nahatongavan' ny governemanta tia fanavaozana notarihin’ i  Mohammad Khatami, dia nampianatra tao amin' ny Oniversiten' ny Siansa sy ny Teknôlôjia izy, izay nikarakarany avy hatrany ny fananganana vondrona mpikatroka niandraikitra ny famerenana ny mpianatra amin' ny fitsipiky ny ôrtôdôksa taorian' ny onjan' ny fanavaozana.

Ben’ ny tanàna lasa filoham-pirenena

[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny taona 2003 dia nentin' ny hetsika Abadgaran (“ireo mpanorina”), avy amin' ny Mpiambina ny Revôlisiôna i Mahmoud Ahmadinejad izay voafidy ho ben’ ny tanànan' i Teheran. Nametraka pôlitika mpisintona vahoaka izy, niezaka nanorina toeram-pandevenana maro  ho an'ny maty an'ady isaky ny kianjan’ ny tanàna.

Nanova foibe ara-kolontsaina maromaro ho lasa ivon-toeram-pampianaram-pivavahana izy ary nahomby tamin’ ny fahazoana, tao amin’ ny lapan’ ny tanàna, ny fametrahana ascenseur samy hafa ho an’ ny lehilahy sy ho an’ ny vehivavy. Nanafintohina ny fahefana izay mpandala fanavaozana ireo fepetra ireo ary nisakana azy tsy handray anjara amin' ny Filankevitry ny Minisitra ny filoha Khatami, filankevitra izay ahitana toerna manokana ho an' ny ben' ny tanànan' i Teheran.

I Mahmoud Ahmadinejad dia nifaninana tamin' ny fifidianana filoham-pirenena tamin' ny Jona 2005 ho "mpamafa ny renivohitra", rehefa nahazo ny fankatoavan' ny Mpitarika Faratampony Ali Khamenei sy ny Filankevitry ny Mpiambina ny Lalàm-panorenana. Tamin' ny fihodinana voalohany dia faharoa taorian' ny filoha teo aloha Hashemi Rafsanjani izy. Notohanan' ny ankamaroan’ ny vahoaka ambany saranga, izay voaentan’ ny fiaviany sy ny toerany manohitra Amerikana izy, ka voafidy tamin' ny fihodinana faharoa tamin' ny 61,7 amin’ ny vato.

Tonga teo amin' ny fitondrana izy ka naneho ny fanirian' ny governemantany ho mandanjalanja dia niavaka haingana izy tamin' ny famelezany an' i Israely sy ny vahoaka jiosy, tsy natahotra manao lahateny mandà ny fahamarinan’ ny tantara tena nisy momba ny fandripahana ny Jiosy, ary koa tamin' ny tsy fetezany ifampiraharahana amin' ny fanohizany ny tetikasa nokleary iraniana.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany

[hanova | hanova ny fango]
  • Ao amin'i Freebase: [1]
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.