Aller au contenu

Georg Wilhelm Friedrich Hegel

Avy amin'i Wikipedia
Georg Wilhelm Friedrich Hegel
Ankapobeny
Anarana Georg Wilhelm Friedrich Hegel
Teraka 27 Aogositra 1770
Maty 14 Novambra 1831
Fiaviana sy ny andraikitra
Firenena Alemaina
Asa :
Fiainana manokana

I Georg Wilhelm Friedrich Hegel dia filôzôfy alemàna teraka tao Stuttgart tamin' ny 27 Aogositra 1770 ary maty tamin' ny 14 Nôvambra 1831 tao Berlin. Ny sangan' asany, taorian' ny an' i Immanuel Kant, dia ao amin' ny idealisma alemàna ary nisy fiantraikany lehibe teo amin' ny filôzôfia ankehitriny.

I Hegel dia nampianatra filôzôfia amin' ny endrika lamina mampiray ny fahalalana rehetra araka ny lôjika dialektika. Izany lamina izany dia naseho ho toy ny "fenômenôlôjian' ny fanahy" (Phänomenologie des Geistes) avy eo ho toy ny "rakipahalalan' ny siansan' ny filôzôfia" (Enzyklopädie der philosophischen Wissenschaften), lohatenin' ny roa amin' ny sangan' asany, ary mahafaoka ny sehatra filôzôfika rehetra, anisan' izany ny metafizika sy ny ôntôlôjia, ny filôzôfian' ny zavakanto sy filôzôfian' ny fivavahana, ny filôzôfian' ny zavaboary, ny filôzôfian' ny tantara, ny filôzôfia môraly sy pôlitika na ny filôzôfian' ny lalàna.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany

[hanova | hanova ny fango]
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.